FIANARANA BAIBOLY MITOHITOHY

ALA-SARONA : FIANARANA SY FANDALINANA SORATRA MASINA AHITANA LOHAHEVITRA 26

TARI-DALANA FAHA-3 :

MISY LANJANY AMIN’ANDRIAMANITRA TOKOA VE NY FIAINAKO ?

Misy ny maraina izay ahitana hoe toy ny paradisa izao tontolo izao.Mifoha maraina ianao, mifoka rivotra Ialina eo ambaravarankely, manopy maso eny amin’ny masoandro vao miposaka izay mivolom-bolamena mitaratra eny amin’ny
ravin-kazo tsirairay avy. Ao ihany koa ny fotoana sasany izay tena maha-sarobidy ny fiainana: ny fahitana ny endriky ny namana malala iray eo am-panaovana veloma azy, ny fandrenesana ampahana feon-kira iray izay mifanaraka tanteraka aminny fihetseham-ponao, ny fitiavana tsy nampoizina avy amin ny ankizy kely iray.

Ao kosa anefa ny maraina sasany izay ahitana izao tontolo izao ho toy ny toerana mampahatahotra. Mifoha maraina ianao ary ny lohateny vaventy amin’ny gazety avy hatrany no hitanao milaza hoe nisy mpampihorohoro nidaroka baomba indray, nampitondra takaitra na nahajamba zaza iray, dia misy mpamono olona misesisesy indray koa nahafaty ny olona fahafolo nokasainy hovonoina, na misy mosary na tondra-drano na ady na horohorontany. Misy fotoana ahatsapana fa toa tsy misy dikany avokoa ny zava-drehetra ary tsy misy na inona na inona ara-drariny.

Fa inona no dikan’izany rehetra izany? Azontsika hazavaina ve ny momba izao tontolontsika izay sady mahafinaritra no mikorontana izao ? Inona no antony maha-eto antsika? Misy lanjany amimn’Andriamanitra tokoa ve ny fiainako sa singa kely ao anatin’ny milina lehibe eto anivon’izao tontolo izao midadasika fotsiny ihany aho?

1. NAHARY TONTOLO TONGA LAFATRA ANDRIAMANITRA

Andriamanitra no Mpahary, nandrindra sy namolavola ny zava-drehetra nanomboka tamin’ny kintana lehibe hatra- minny helatry ny lolo.

“Ny Tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra…

Fa Izy no niteny dia ary izany; ary Izy no nandidy dia nitoetra mafy izany.” Salamo 33:6-9

Niteny fotsiny ihany Andriamanitra dia nankato Azy ny singa rehetra.

2. ENINA ANDRO NAMORONANA NY TONTOLONTSIKA

«Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahata Izy tamin’ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jeho-
vah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.» Eksodosy 20:11

Azon’ilay Mpahary mandrakizay sady tompon’ny hery rehetra natao ny nahary izao tontolo izao indray mandeha «tamin’ny alalan’ny fofonain’ny vavany.» Saingy nifidy andro enina hanaovana izany kosa Andriamanitra, na dia mety ho ampy nanaovany izany aza ny enina minitra na enina segondra mihitsy aza. Ny Genesisy, izay toko voalohany ao amin’ny Baiboly no milaza ny antsipiriany momba ny izay noforonin Andriamanitra isan andrò tao anatin’ny herinandron’ny famoronana.

Inona no voary mendri-piderana ambony indrindra noforonin’ Andriamanitra tamin’ny andro fahenina?

“ARY ANDRIAMANITRA NAHARY NY OLONA TAHAKA
NY ENDRINY; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany
azy; LAHYSYVAVY NO NAMORONANY AZY.” Genesisy 1:27

Nanapa-kevitra hamorona olombelona
tahaka Azy Andriamanitra, izay afaka hieritreritra, hanana fihetsehampo, ary hitia. Ny isam-batan’olona dia nohariana araka“ny endrik’Andriamanitra.”

Feno zava-maniry sy biby ny tany tamin’ny andro fahenina, ary nampidirin’Andriamanitra amin’izay ny voary mendri-piderana indrindra noforoniny. Araka ny voalaza ao amin’ny Genesisy 2:7 dia nahary ny vatan’i Adama tamin’ny alalan’ny vovoky ny tany ny Avo Indrindra. Tonga “olombelona” izany ny lehilahy rehefa nofofonin’Andriamanitra “fofon’aina”, izany hoe lasa niaina izy. Nantsoin’Andriamanitra hoe Adama ny lehilahy voalohany nohariana araka ny endriny, teny izay midika tsotra hoe “olona,” ary Èva kosa no niantsoany ny vehivavy voalohany, izay midika hoe “velona” (2:30 ; 3:20).

Hitan’ilay Mpahary be fitiavan’ny filàna olombelona namana.
Raha vao vita avy eo an-tanan Andriamanitra i Adama sy Èva dia samy naneho ny endriny avokoa. Azon’Andriamanitra natao ny nahary zavatra toy ny “robot” (vy natambatra miendrika olona ary afaka baikoina araka izay hitiavana azy) mba handehandeha aminny fahafaham-po ao an-Jaridainan’i Edena ka hanandratra ny feony ho fiderana Azy. Kanefa mi- hoatra noho izany no nilain Andriamanitra: fifandraisana tena izy. Afaka mitsiky ny “robot”, miresaka, vitany hatramin’ny manasa lovia aza, saingy tsy afaka mitia kosa izy.

Nahary antsika araka ny endriny Andriamanitra, miaraka amin’ny fahafahana mieritreritra sy mifidy, mitadidy, mahatakatra, ary mitia. Zanak’Andriamanitra i Adama sy Èva, ary tena malalany aok’izany mihitsy.

3. TONGA TETO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO TONGA LAFATRA NY RATSY

Nanana ny zava-drehetra nahasambatra azy ireo i Adama sy Èva. Nahita fifaliana tao anatinny vatana tonga lafatra sy fahasalamana ara-tsaina izy ireo, niaina tao anatinny zarid- 
aina tsara tarehy tokatranony teto anivonny tontolo tsy nisy tsiny (Genesisy 2:8 ; 1:28-31).

Nampanantena taranaka ho azy ireo Andriamanitra, ary saina afaka mamoron-javatra ka ahita fahafaham-po ao anatinny asan’ny tanany (Genesisy 1:28; 2:15). Niaina tao anatin’ny fiarahana nifanatri-tava taminny Mpahary azy izy ireo. Tsy nisy soritr’ahiahy na tahotra na aretina nanisy pentina ny androm-pifalian’izy ireo mihitsy.

Ahoana no nampivadika izao tontolo izao tampoka ho lasa toerana feno fahoriana sy loza? Ny toko faharoa sy fahatelo aminny Genesisy no milaza ny tantara iray manontolo momba ny fomba nidiranny fahotana teto aminny tontolontsika. Vakio aminny fotoana malalaka anananao izy ireo. Indro misy famaritana fohy momba ny tantara ao anatiny.

NY HERINANDRON’NY FAMORONANA

Andro Voalohany: ny mazava, fampìsarahana ny andrò sy ny alina.

Andro Faharoa: ny habakabaka

Andro Fahatelo: ny tany maina sy ny zava-maniry

Andro Fahefatra: niseho ny masoandro sy ny volana Andro

Fahadimy: ny voromanidina sy ny hazandrano Andro

Fahenina: ny biby ety an-tanety sy ny olombelona Andro

Fahafito: ny Sabata

Rehefa avy nametraka tontolo tonga lafatra Andriamanitra dia tonga tao amiriny Zaridain- an’i Edena ny devoly mba haka fanahy ani Adama sy Eva ka tsy hankatoavany ny Mpahary azy.

Noferah Andriamanitra ho teo aminny hazo iray tao an-jaridaina ihany ny faritra azon’ny devoly hiasana, dia “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izany. Ary efa nampitandrina ireo olombelo- na voalohany nivady Izy mba tsy hanatona izany hazo izany na hihinana aminny voany, satria dia ho faty tokoa izy ireo.

Nandalo teo amin ilay hazo voarara anefa i Eva indray andrò. Nalefan’ny devoly avy hatrany ny varomaizina nataony. Nilaza izy hoe nandainga tamin’izy ireo Andriamanitra fa tsy ho faty izany akory izy ireo raha mihinana ny voan’ny hazo, fa ho tonga hendry tahaka ah Andriamanitra ary hahay mamantatra ny tsara sy ny ratsy. Loza fa indro i Eva ary nanaraka izany ihany koa i Adama, namela ny devoly hamitaka azy ireo, ka dia nanandrana tamin’ilay voankazo voarara ary nanapaka ny fatoram-pahatokiana sy fankatoavana tamin’Andriamanitra.

Ny “hanapaka” izao tontolontsika izao no drafitr’Andriamanitra ho ahi Adama sy Eva, ho mpitantana ny voarin’Andriamanitra (Genesisy 1:26). Kanefa noho ny nanapahan’izy ireo ny fi- noany ah Andriamanitra ka nifidianany ny Devoly ho mpitarika vaovao, dia very ny fahafahan’izy mivady manapaka. Lazain’ny devoly fa azy izao tontolo izao ankehitriny, ary miezaka araka izay tratrany izy hanandevozana ny olona eo aminy.

Imbetsaka isika no tojo fotoana haniriantsika hanao zavatra feno fitiavantena na feno habibi- ana mihitsy, na dia ny mifanohitra amin’izany aza no tena tiantsika atao. Inona no antony? Satria ilay fahavalo tsy hita maso, dia ny Devoly izany, miasa fatratra handavo ny olona ara-pitondrantena.

Rehefa mamaky ny toko fahatelo aminny Genesisy ianao dia ahita fa ny fahotana no na- hatonga ahi Adama sy Eva niafina ah Andriamanitra tamin-tahotra. Nisy fiantraikany tamihny voary rehetra ny fahotana. Lasa naniry tsilo ny voninkazo. Lasa karakaina ny tany, ary lasa nam- izana ny asa tany. Nanomboka namely tamihny fotoana tsy nampoizina ny aretina. Nampitombo ny fahorian’olombelona ny fialonana, ny fankahalana, ary ny fitiavan-karena fatratra. Ary ny tena 
loza tamihizany rehetra izany dia tonga niaraka tamihny fahotana ny fahafatesana!

4. IZA MOA IO DEVOLY IZAY NITONDRA FAHOTANA TETO AMIN’NY TONTOLONTSIKA IO?

“.. .Izy dia MPAMONO OLONA HATRAMIN’NY TALOHA… tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy dia ny azy no laziany, satria mpandainga izy sady RAIN’NY LAINGA.” Jaona 8:44

Araka ny voalazahi Jesosy dia ny Devoly no niandohan’ny fahotana teto amin’izao tontolo izao, izay “rain’ny” fahotana sy ny vono olona ary ny lainga.

Nentin’i Thomas Carlyle – filózofa Anglisy lehibe, i Ralph Waldo Emerson, ho any aminny làlana farahizay ratsy indrindra tany aminny farany atsinanahi Londre. Rehefa nizotra tamin’izay làlana izany izy ireo ka nandinika tamim-pahanginana ny fahoriana sy ny haratsiana nanodidina azy, dia izao no fanontaniana napetrak’i Carlyle tamihny farany: “Mino amin’izay ve ianao hoe misy ny Devoly ?”

5. MOA VE ANDRIAMANITRA NAHARY NY DEVOLY?

Tsia! Tsy hamorona devoly mihitsy ny Andriamanitra tsara fanahy. Milaza anefa ny Baibo- ly hoe namoy ny toerany tany an-danitra ny Devoly sy ny anjely izay nofitahiny ary tonga teto amin’izao tontolontsika izao.

“Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbaminny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana eia, izay atao hoe devoly sy Satana, izay namitaka izao tontolo izao; dia nazera tamihny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Apokalypsy 12:7-9

Ahoana no nahatonga ny Devoly nipetraka teo aminny laharana voalohany tany an-danitra?

“Ianao dia KEROBIMA voahosotra izay MANALOKA, fa voatendriko ianao; tao an-tendrom- bohitra masin Andriamanitra ianao… TSY NANAN-TSINY IANAO TAMIN’NY NALEHANAO hatramin’ny andrò NAMORONANA ANAO KA MANDRA-PAHITA HELOKA TAO AMINAO.”
Ezekiela 28:14-15

Tsy nahary ny Devoly Andriamanitra, fa i Losifera izay anjely tonga lafatra no noforoniny, iray tamin’ireo anjely mpitarika tany an-danitra, nijoro teo akaikin’ny seza fiandrianahAndriamanitra.

Nanota anefa izy, “haratsiana no hita tao aminy.” Noroahana niala tany an-danitra izy, ary mody naka namana ani Adama sy Eva ka tonga fahavalon’olombelona farahizay mahafaty indrindra.

6, INONA NO ANTONY NAHATONGA ANI LOSIFERA IZAY ANJELY TONGA LAFATRA, HANOTA?

“Endrey, LATSAKA AVY TANY AN-DANITRAIANAO, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina; VOAKAPA HIANJERA AMIN’NY TANY IANAO… Ary ianao efa nanao anakam- po hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan Andriamanitra no hanan- dratako ny seza fiandrianako;… hiakatra any ambonin’ny havoanny rahona AHO KA HO TAHAKA NY AVO INDRINDRA.” Isaia 14:12-14

Ilay voary taloha izay tonga Devoly dia nantsoina hoe Losifera, izay midika hoe “kintanny maraina” na “ilay mamiratra.” Nanomboka naka ny toeran’ny fanolorantena tao
am-pon io anjely io ny fireharehana sy ny ambompo. Lasa nitombo ho faniriana Ialina haka
ny toeran Andriamanitra ilay voan’ny fireharehana tao anatiny.

Azo antoka fa niasa mafy mihitsy i Losifera taminny fandresena lahatra ireo voary
hafa tany an-danitra. Mora ny maka sary an-tsaina ny fomba nandresen i Satana lahatra
hoe misy zavatra tsy tian Andriamanitra tsy ho azon izy ireo mihitsy, ary mangeja Ioatra
ihany koa ny lalànny Avo Indrindra, sady Mpanjaka tsy mikarakara Andriamanitra. Niteny
ratsy Ilay nanana ny toetra namaritra ny fitiavana izy.
Ahoana no fomba namahana izany ady tany an-danitra izany?

“Niavonavona ny fonao… nazerako eny an-tany ianao.” Ezekiela 28:17

Ny fireharehana no nanova ny lehibenny anjely rehetra ho lasa Devoly na Satana. Mba hitandroana ny fiadanana sy ny firindrana tany an-danitra dia voatery nazera tety an-tany izy
sy ny iray ampahatelonny anjelin’ny lanitra izay niara-nikomy taminy (Apokalypsy 12:4,7-9).

7. IZA NO TOMPON’ANDRAIKITRY NY FAHOTANA?

Fa naninona Andriamanitra no tsy mba nahary voary tsy afaka manota? Raha nanao izany mantsy Izy dia tsy hisy olana napetraky ny fahotana eto amin izao tontolo izao. Mila
olona manana fifandraisana misy lanjany Izy. Noho izany dia “nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra” (Genesisy 1:27). Izany dia midika fa manana falalahana isika ary
tompon andraikitra. Afaka manapa-kevitra hitia an’Andriamanitra isika na hitodi-damosina Azy.

Nataon Andriamanitra voajanahary ao anatin’ny anjely sy ny oloinbelona rehetra tao
anatinny taranaka nifandimby ny toetra manam-panahy sy ny fahafahana mandray ny
safidy iena marina.

“Fidinareo anio ary izay hotompoinareo.” Josoa 24:15
Nametraka fihaikana tamin ireo voary nohariany araka ny endriny Andriamanitra, hifidy ny hanao ny marina, satria ny fahafahana misaintsaina napetraka tamin’izy ireo no nananany hery hanakana azy tsy hiharanny vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fahotana.

Ny voary izay manana hery ahafahana misaintsaina sy mifidy ihany no mahatsapa ny tena fitiavana. Maniry fatratra hamorona olona izay afaka mahatakatra sy mankasitraka ny toetrany Andriamanitra, hamaly izay nataony amin’ny alalan’ny fitiavana, ary ho feno fitiavana ny hafa. Te hizara ny fitiavany aok’izany Andriamanitra ka vonona hiatrika izay rehetra tsy ampoizina mety hitranga mihitsy Izy, taminny alalan’ny famoronana anjely sy olona afaka misafidy. Fantany fa indray andrò any dia mety misy hifidy ny tsy hanompo Azy ny iray amin’ny voariny. Ny Devoly no voary voalohany nanao izany safidy mahat- siravina izany teto amin’izao tontolo izao. Izy no niandohan’ny olana lehibe vokatry ny fahotana (Jaona 8:44,1 Jaona 3:8).

8. NY HAZO FIJALIANA NO MAHATÀNTERAKA NY FAMOTEHANA NY FAHOTANA

Inona no antony nahatonga an Andriamanitra tsy nanimba ani Losifera talohan’ny niparitahan’ny aretin’ny fahotana avy taminy? Nifaninana taminny fahitsianny fanja-
kan’Andriamanitra i Losifera. Nilaza lainga momba an’ Andriamanitra izy. Raha toa ka nanimba an’i Losifera teo no ho eo Andriamanitra dia nanomboka nanompo Azy tamin-tahotra ny anjely fa tsy tamim-pitiavana. Mety nandiso ny drafitr’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny voary ihany koa izany, satria natao loha-laharana teo amin’ny voary ny fahafahana misafidy.

Ahoana no tena hamantaranny olona iray hoe ny lálan Andriamanitra no tena tsara indrindra? Nomen Andriamanitra tombotsoa hanehoana ny fomba fiadiny i Satana. Izany no antony nanomezany azy tombotsoa hakana fanahy ani Adama sy Eva.

Ity planeta ity no lasa sehatra nifanoheran’ny toetrahi Satana sy ny endriky ny fanjakany tamin’ny toetran Andriamanitra sy ny endriky ny fanjakany. Iza no marina?
Iza no tena azontsika hitokiana? Namitaka aok’izany i Losifera ka nila fotoana naharitra mihitsy ny voary teto amin’izao tontolo izao izay vao resy lahatra tanteraka ny amin’ny maha-zava-doza ny safidy omen’i Satana. Ho hitahny isambatanolona aminny farany anefa fa “fahafatesana no tambinny ota” ary “fiainana mandrakizay no fanomezam-paha- soavana avy amin Andriamanitra ao amihi Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).

Rehefa izany, ny voary rehetra eto amin’izao tontolo izao dia hanaiky fa “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo o, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay… Ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” Apokalypsy 15:3,4

Rehefa mazava aminny olona ny toetra mahafaty ao aminny fahotana sy ny toetra manimba ao aminny fihevitr’i Satana, dia azon Andriamanitra simbana amin izay i Satana sy ny fahotana. Voatery hanimba ireo izay mikiry hanohitra ny fahasoavany sy miandany aminny safidin’i Satana Izy.
Irian Andriamanitra mafy ny hamaha ny olan’ny fahotana sy ny fahoriana, tahaka ny faniriantsika fatratra hanaovany izany ihany koa. Miandry anefa Izy mandra-paha- tongan’ny fotoana ahafahany mamongotra ireny tanteraka, ary mandra-pitehirizany ny falalahantsika sy hanakanany ny ratsy tsy hiseho intsony.

Nampanantena Andriamanitra fa hamotika ny fahotana mandrakizay aminny alalan’ny fanadiovana ny lanitra sy ny tany aminny afo. “Kanefa isika araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana” (II Petera 3:10x 13). Tsy ahazo izao tontolo izao intsony ny fahotana. Hiseho mazava tsara ny voka-dozan’ny fahotana ka toa ahatsiravma mandrakizay ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra.
Iza no hanatanteraka ny fandravana farany ny Devoly sy ny fahotana?

“Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany aminny fahafatesana ilay manana ny herinny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainana rehetra taminny fahan- devozana noho ny tahotra ny fahafatesana.” Hebreo 2:14,15

Teo an-kazo fijaliana no nahitan’ny anjely sy ny tontolo tsy lavo ani Satana taminny tena endriny, izay mpamitaka, mpandainga, ary mpamono olona. Teo no nanehoany ny tena toetrany, taminny alalan’ny nanereny ny olona hamono ilay Zanak’Andriamanitra tsy manan-tsiny. Hitan’ny mponina rehetra manerana izao tontolo izao ny maha-zava-poana sy maha-zava-doza ny fahotana. Ny hazo fijaliana no nampibaribary ny antony nanosika ani Satana hanao izany rehetra izany, ary rehefa hamotika ny Devoly sy izay rehetra mikiry biby amin’ny fahotana Andriamanitra dia hanaiky amin’izay ny rehetra hoe marina Andriamanitra.

Ny fahafatesan i Jesosy teo an-kazo fijaliana no naneho ny tena fikasan’i Satana manoloana ny voary rehetra (Jaona 12:31,32). Ny hazo fijaliana ihany koa no maneho ny tena maha-Izy Azy ani Kristy, izay Mpamonjy izao tontolo izao. Teo Golgota no nijoroanny fahefan’ny fitiavana izay nifanohitra tanteraka tamin’ny fitiavam-pahefana. Ny hazo fijaliana no mitondra valiny tsy hisalasalana fa fitiavana manao sorona ny tena no nanosika ah Andriamanitra tao anatin’ny ady rehetra nifanandrinany tamin’i Satana, taminny fahotana, ary tamin’ny fiatrehana ny lehilahy sy vehivavy mpanota.

Resin’ny fanehoam-pitiavana tsy misy fepetra nandresy lahatra avy amin’i Kristy teo an-kazo fijaliana ny Devoly. Nifarana ny ady momba ny hoe iza no tokony hana- paka izao tontolo izao, i Kristy sa i Satana. Ny hazo fijaliana no nitondra ny valiny. Tsy maintsy hoe i Kristy no mpandresy!
Efa nahita fifandraisana tamin’ilay Mpamonjy izay maty haneho ny fitiavany tsy manam-paharoa sy tsy miova ve ianao? Ahoana no fahatsapanao Ilay tonga olombe- lona teto amin’ny tontolontsika ary maty teo amin’ny toerantsika mba hamonjy anao tamin’ny vokatry ny fahotana? Tsy mba tianao ve ny hanondrika ny lohanao anke- hitriny ary hisaotra an’i Jesosy sy hangataka Azy hiditra ao anatinao ary hifehy ny fiainanao?

FANONTANIANA ALA-SARONA

FITSAPAM-PAHAIZANA
  • Niteny fotsiny Andriamanitra tamin’ny famoronana dia ary ny lanitra. Avereno vakiana ny fizaràna araka ny tarehimarika eo aminny sisiny havia, ao
  • Tamin'ny andrò fahenin'ny herinandron'ny famoronana Andriamanitra no nahary ani Adama sy Eva.
  • Napetrak’Andriamanitra tao amin'ny tontolo tonga lafatra i Adama sy Eva.
  • Nilaza tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe ny fihinanana avy amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia hampahendry azy ireo.
  • Naka fanahy an’i Adama sy Eva mba tsy hankato ny Mpahary azy ny Devoly.
  • Nihinana ilay voankazo voarara i Adama ary nomeny ihany koa i Eva.
  • Taminny alalan'ny nakana fanahy ani Adama sy Eva ary nanaovana izay hanotan'izy ireo no nandrombahan’ny Devoly ny fanapahana izao tontolo izao teo an-tanan’izy ireo. Vakio indray ny fizarana ao aminny “Tari-Dalana,” araka ny tarehimarika eo aminny sisiny havia,
  • Ny Devoly no niandohanny fahotana.
  • 1- Nahary Devoly ratsy fanahy Andriamanitra.
  • 2- Nahary arí i Losifera ho anjely tonga lafatra Andriamanitra, lasa nialona an Andriamanitra izy, ary tamin’ny alalan’ny fifidianana ny hanota no nahatonga an i Losifera namadika ny tenany ho devoly.
  • 6. Nazera avy any an-danitra ny devoly ary tonga teto aminny tontolontsika izay vao nohariana.
  • Nahary ny olombelona niaraka tamin’ny fahafahana mifidy ny hanota na tsia Andriamanitra.
  • Teo an-kazo fijaliana no nanehoan’i Jesosy ny toetran Andriamanitra be fitiavana.
  • Iza no manapaka ny fiainanao ankehitriny, i Kristy izay Mpanjakan’ny fiadanana sa i Satana izay tompon’ny fikotranana, fahoriana, ary fahafatesana ?