Alarobia 27 Mars 2019 tamin’ny 12h05mn nanomboka ny fizaràna vary ho an’ireo voafonja manodidina ny 1600 tao amin’ny quartier D. Ny distrikan’i Manjakaray no nisolotena ny fiangonana advantista tamin’ny fanangonana sy fizaràna ny vary milanja 1taonina mahery. Nitarika ireo solontena avy ao amin’ny distrika ny Pasteur RATOVOARISOA David Olivier filohan’ny distrika niaraka tamin’ny CD AFAFI .Nanotrona ireo mpitory filazantsara eny amin’ny fonja notarihan’ny Pasteur RAKOTONIAINA Jeannot .