DEPARTEMANTA VAVAKA : FILAZAN-DRAHARAHA 01 DESAMBRA 2018
ANDEFASANA : Ny Pasitora, ny Loholona sy Talem-piangonana ary ny Filohan’ny ASAFI sy ny mambra rehetra eto
amin’ny Fiangonana ANTANANARIVO sy ny manodidina
ANTONY : 10 ANDRO FIFOHAZANA 2019
Ho fiatrehantsika ny Taona 2019 izay hanaovana ny ASA FITORIANA GOAVANA eto ANTANANARIVO dia hanatanteraka 10 andro fifohazana isika fiangonana rehetra. Araka ny efa mahazatra antsika dia asaina sy entanina avokoa ny mambra rehetra mba hanatrika sy hanaraka izany fotoana lehibe izany. Hisy ny boky tari-dalana amin’izany alefa isam-piangonana.
Tsara anefa ny manamarika fa tokony hanana isan-tokantrano isika mambran’ny fiangonana mba hahafahana’ny mambran’ny fianakvaina tsirairay miaina izany amin’ny fahafenoany. Koa dia ampiomanina isika mambra rehetra fa misy amidy manokana io boky io rehefa mivoaka ka azonareo jifaina ao amin’ny STOCK F.M.C. amin’ny vola 1700 Ariary. Aoka mba samy hanao ezaka dieny izao ny tokantrano tsirairay mba hahazo io boky 10 ANRO FIFOHAZANA io.