FILAZAN-DRAHARAHA FEVRIER 2019
DEPARTEMANTA MIFEM
ANDEFASANA : Ny Lehiben’ny MIFEM isam-piangonana eto amin’ny Faritra ANALAMANGA
ANTONY : FIOFANANA mahakasika ny loha-hevitra : “VEHIVAVY MITONDRA FANANTENANA”
DATY sy ORA : Alahady 24 Febroary 2019 amin’ny 8.30 hatramin’ny 11.30 ora
TOERANA : SOAMANANDRARINY – ANTANANARIVO
FANAMARIHANA
- Lohahevitra entintsika MIFEM amin’ity taona ity izany ary mahakasika betsaka ny “FANANTENANA HO AN’ANTANANARIVO”
- Amin’io izany no hanomezana antsika ny fanazavana rehetra, indrindra mahakasika ny fananganana Centre d’influence
———————— oOo ————————
DEPARTEMANTA MIFEM
ANDEFASANA : Ny Lehiben’ny MIFEM isam-piangonana sy ny vehivavy rehetra eto amin’ny Faritra ANALAMANGA
ANTONY : FITSIDIHANA MANOKANA NY MATERNITE BEFELATANANA
DATY sy ORA: Alahady 03 martsa 2019 amin’ny 9.00 ora maraina
FANAMARIHANA
- Koa asaina izay rehetra afaka hiara-hanatanteraka izany, mba hiara-hirodorodo hizara fifaliana amin’ireo marary ao amin’ny Maternité Befelatanana”
- Amin’ny 9 ora maraina no fotoana eny Mahamasina, eo amin’ny Rond point. Ho an’izay manana dia hanaovy ilay Tee-shirt Mifem violet tany Mahajanga, sy zipo mainty (na matroka). Ho an’izay tsy manana dia manaova Tee-shirt izay misy logo Mifem.
- Andeha ho tonga maro, fa hikasika ny tontolontsika isika vehivavy! Koa dia aoka hifanentana isika rehetra e!
DEPARTEMANTA MIFEM
ANDEFASANA : Ny Lehiben’ny MIFEM isam-piangonana sy ny vehivavy rehetra manerana ny FMC
ANTONY: SABATA MANERAN-TANY HIVAVAHANA ho an’ny VEHIVAVY
DATY: Sabata 02 mars 2019
FANAMARIHANA
- Indro alefa amintsika ny TORITENY MANOKANA hatao amin’io fotoana io.
- Amporisihina isika vehivavy hitondra ireo namantsika, mba hitondrana am-bavaka ny fiainany.Koa aoka àry ny Tompon’andraikitry ny MIFEM hiomana tsara amin’ny fizarana ny hafatra amin’io fotoana io. Aoka hatao mahaliana tsara ny fandaharana rehetra ao amin’ny Fiangonana
- Ny Alahady 03 Martsa 2019 dia asaina isika vehivavy mba hikasika ireo liana namantsika, hizara amin’izy ireo ny fanomezam-pahasoa-vantsika. Ny isam-piangonana na isaky ny Distrika no mandamina fotoana manokana ho amin’izany.
- Ao anatin’izay vaninandro manokana ho an’ny vehivavy izay ihany, aoka samy hiomana ka hafana fo amin’ny fandraisana anjara rehetra ilan’ny fiaraha-monina antsika isika vehivavy ny 8 Martsa 2019 (fanomezan-drà maimaimpoana – filaharana – fanaovana asa sosialy…)
DEPARTEMANTA MIFEM
ANDEFASANA : Ny Lehiben’ny MIFEM isam-piangonana sy ny vehivavy rehetra manerana ny FMC
ANTONY : FIOFANANA “FEMMES VERTUEUSES”
DATY : Talata 26 febroary 2019 hatramin’ny Zoma 1 martsa 2019
ORA : Miditra amin’ny 8.00 ary mirava amin’ny 6.00 isan’andro
TOERANA: SOAMANANDRARINY – ANTANANARIVO
FRAIS GENERAUX : 8.000 Ar (Badge – Kit – Tee-shirt) ho an’ny kilasy mody. MIAMPY 2000 Ar kosa ho an’ny kilasy mandry
FANAMARIHANA
- Hisy boky kely amidy amin’io fotoana io ho an’izay liana amin’izany
- Ao amin’ny Chef MOÏSE no fisoratana anarana ka ny Alakamisy 21 febroary 2019 amin’ny 5 ora hariva no farany handraisana izany. Raha afaka mandefa AIRTEL MONEY ianareo ivelan’Antananarivo dia mety koa fa saingy asiana hoe MIFEM sy ny anaran’ny fiangonanareo. Ity ny numéro azo handefasana izany AIRTEL MONEY izany : 03337 109 28. Miantso aloha ianareo vao mandefa. Alefa SMS kosa ny anarana.
DEPARTEMANTA MISAHANA NY VEHIVAVY
- Araka ny voalaza ao anaty PLAN STRATEGIQUE dia aoka ny Sampana MIFEM isam-piangonana mba hivory anio SABATA 12 janoary 2019 ka hijery sahady hoe inona ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ny vehivavy tsirairay avy isam-piangonana hanaovana CENTRE D’INFLUENCE hanatrarany ireo vehivavy any ivelany.
- Aoka koa hiomana isika vehivavy rehetra fa hisy fotoana manokana ho antsika handraisana fiofanana izay mitondra ny loha-hevitra hoe “FEMMES VERTUEUSES” amin’ny 27 febroary hatramin’ny 02 martsa 2019 ho avy izao. Ambara amintsikia tsy ho ela ny andinindininy rehetra fa aoka hiomana dieny izao. Misaotra indrindra!