MAHAZOARIVO ANTSIRABE : Sabata 16 Jona 2018 : Vavaka ho an’ny Tanindrazana

FORMATION PATISSERIE DE BASE CFF
24 juin 2018
Mila ateraky ny fanahy isan’andro isika. Distrika Antanifotsy ny 25-27 mai 2018
2 juillet 2018

MAHAZOARIVO ANTSIRABE : Sabata 16 Jona 2018 : Vavaka ho an’ny Tanindrazana

Tonga maro namaly ny fanasana tamin’ilay fitondrana am-bavaka ho an’ny tanindrazana sy ny mpitondra ireo manam-pahefana eto amin’ny tanan’Antsirabe, izay notarihin’ny prefet sy ny lehiben’ny faritr’i Vakinankaratra,ny Sabotsy 16 jona 2018, tetsy amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Mahazoarivo Antsirabe.

 

Nisy ihany koa ny fizarana ny boky « Ny herin’ny fanantenana » ho an’ireo vahiny nasaina manokana

Ny hafatra kosa dia notsoahina tao amin’ny bokin’i 1 Timoty 2 : 1,2  izay nentin’ny Ray aman-dReny Pasitora Rija, Pasitoran’ny Distrika Tsarasaotra Antsirabe.Notsindriany ny maha-zava-dehibe ny anatra sy ny vavaka (Ohab 4:2 ; 8:33 ; 10:17, Mat 5 : 44; 6 : 6; 26 41).Nohamafisiny ny tokony hitondrana am-bavaka ny olona rehetra indrindra ireo manam-pahefana (Jak 5:16, 2 Kor 1:11).Notsaivin’i Mpitondra hafatra ihany koa fa ny Fiangonana Advantista maneran-tany dia manokana fotoana hitondrana am-bavaka ny mpitondra firenena anatin’ny fanompoam-pivavahana isaky ny sabotsy. Araka ny fanao moa dia nanolotra marim-pahatsiarovana ho an’ireto mpitondra firenena ireto ny fiangonantsika; Noravahan’ny Antoko-pihiran’ny fiangonana sy ny Choral Ankizy. Hinoana fa afa-po avokoa ny rehetra nandritra izany fotoana izany. Vonihanitra ho an’Andriamanitra irery ihany

 

 

 

Comments are closed.