Fiangonana Advantista miteny anglisy, nizara fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana
Fianakaviana 30 tafo ireo nomena fanampiana ireo. Mambra ny fiangonana ny ankamaroany, nisy koa avy eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny sampana dorkasy sy ny asa fanaovan-tsoa eny amin’ny fiaraha-monina no nikarakara. Vary 10 kg sy menaka 01 litatra no nozaraina. Ankoatra izay ny fizarana fitafiana ho an’ireo tena sahirana. Ny loholona Randriamiandriray Mickael no nitarika ny fotoam-bavaka fohy ka nilazany fa hain’Andriamanitra ny mampitombo ny vatsy tahaka izay nataony tamin’ilay vehivavy mpitondra tena tamin’ny andron’i Elia Mpaminany.