Ho fiatrehana ny fahasahiranana izay lalovana ankehitriny vokatry ny fihibohana nohon’ny fisian’ny valanaretina coronavirus dia notolorana vatsy entina miatrika izany ho an’ny mpino ny fiangonana advantista Anosibe I. Mpino manodidina 125 no nisitraka izany ka Vary 5kg sy pâte ary seau iray natolotra ireo mpisitraka. Ny marainan’ny zoma 17 avril 2020 no nanatanterahana izany.Nitarika ny hetsika ny loholona sy ireo tompon’adraikitry ny sampana Asa fanasoavana ao amin’ny fiangonana. Nisy ihany koa ny fanentanana ny ampiasana ny cache bouche na ny arotava sy ny fanasana tànana amin’ny savony sy ny fanajana ny 1m sy fihibohana any an-trano.