Fiangonana advantista Ampasika : Natao ny marainan’ny alatsinainy 13 Avril 2020 ny fizaràna ny vatsy ho fanohanana ny ankohonana 43 eo anivon’ny fiangonana. Vary sy menaka iray litatra no natolotra azy ireo. Ireo loholona telo mirahalahy niaraka tamin’ny komitin’ny fiangonana no nanatanteraka ny fizaràna izay natao tao amin’ny fiangonana. Solontena isam-pianakaviana no tonga nandray ny vatsy tohana. Mpino vita batisa manodidina ny 160 no voasoratra anarana ao amin’ny fiangonana advantista Ampasika Distrikan’Ambohijafy.