FEDERASIONA MADAGASIKARA AFOVOANY
.
FANAMBARANA
.
Araka ny fanambarana izay nataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy, dia manao izao fanambarana izao ny Foibe FMC :
.
– Mikatona avokoa ny fiangonana rehetra eto anivon’ny FMC mandra-pisy tari-dalana manaraka indray.
– Foana araka izany ireo culte officiel izay saika atao rahampitso.
– Ny mambra rehetra dia hanantanteraka fotoam-pivavahana isan-tokantrano.
– Aoka hisy fiombonam-bavaka avy amintsika rehetra manoloana izao toe-javatra izao
– Asaina isika hanaraka ny onjam-peo Radio OASIS FM 106.4 fa hisy fampaherezana ho antsika rehetra ao. Izay tsy mahazo radio dia misy ny Radio Oasis amin’ny messenger « My Life Bots ».
.
Ny Filoha Pst Fanera ANDRIAMPARATIANA.