Ho fiatrehana ny fahasahiranana lalovan’ny isan-tokantrano manoloana izao fihibohana vokatry ny valanaretina corona virus izao dia nanolotra tohana ara-bola ho an’ireo tokantrano miisa 50 ny fiangonana advantista Ambodirano-Ampefiloha. Teo anivon’ny komitin’ny fiangonana no nifantenana ireo tokantrano ireo. Ny marainan’ny alahady 12 Avril 2020 no nizaràna izany ka ireo komity notarihan’ny loholona telo mirahalahy no nanatitra izany teny amin’ny isan-tokantrano. Nentina am-bavaka ihany koa ny ankohonana.