Zoma 23 novambra 2018, Avaratsena Sabotsy amin’ny 9 ora maraina.
Boky « Tantara Mitory Fanantenana » miisa 1000 no nozaraina teo an-tsena Sabotsy, notanterahan’ireo mpitantan’asa sy ny Departemanta ny Federasiona Madagasikara Afovoany, Ireo Telojiana avy ao amin’ny Université Adventiste Zurcher, ary ireo mpitory Laika.
Maro no liana ka nandray am-pifaliana : ‘zahay koa ve mba afaka mahazo? mba omeo hono itsy namanay itsy! Mba misy vakiana ity rehefa mangingina ny tsena! izany no feo re tao amin’ny tsenan’Asabotsy. Hisaorana ny Tompo ary hoentina ambavaka mba hiasa ny boky hitaona fanahy ho an’i Kristy.