Fanompoam-pivavahana ho Fankalazana ny Fanatsiarovanany Tolom-panafahana. Ny 23 Marsa 2019, tao amin’ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny. »29 Martsa! Tolom-panafahana taratry ny hambopom-pirenena antoky ny fandrosoana »Notarihin’ireo Mpitantan’Asa eo anivon’ny Fiangonantsika, natrehin’ireo Manam-pahefana, mpitondra fivavahana ary ireo sivily sy miaramila.Hafatra niainga avy tamin’ny fanandraman’i Nehemia izay nanana hambom-po hanorina indray ny mandan’i Jerosalema, no nentin’ny Filohan’ny Union, ny Pasitora Herinirina Jasmin, ka nanaovany antso ho an’ny tsirairay mba handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana.
Ny Antoko mpihira Feon’ny Faminaniana sy ny Feo Advantista Soamanandrariny no nanao ny toriteny an-kira.